V. Ny Fitsaràna farany

Laharana 1040 amin’ny Katesizy

Amin’ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra no hiseho ny Fitsaràna farany. Ny Ray ihany no mahalala ny ora sy ny andron’izany, Izy irery ihany no manapa-kevitra ny amin’ny fahatongavany. Amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Zanany no hanononany amin’izay ny teniny farany momba ny tantara manontolo. Ho fantatsika ny hevitra farany raketin’ny tsanganasam-pahariana manontolo sy ny fitantanam-pamonjena manontolo, ary ho azontsika an-tsaina ny lalana mahagaga izay hitarihan’ny Fitahian’Andriamanitra ny zavatra rehetra ho amin’ny tanjom-piafaràny. Ny Fitsaràna farany no hampiseho fa ny fahamarinan’Andriamanitra no mandresy ny tsy fahamarinana rehetra nataon’ny zavaboariny ary ny fitiavany no mahery kokoa noho ny fahafatesana[93].

Loharano ôfisialy ↗