Paragrafy 6 . I Maria – Renin’i Kristy, Renin’ny Fiangonana

Laharana 963 amin’ny Katesizy

Rahefa voaresaka ny anjara asan’i Maria Virjiny ao amin’ny misterin’i Kristy sy ny Fanahy, dia mety amin’izay ny mandinika ny toerany ao amin’ny misterin’ny Fiangonana. “Araka izany, i Maria Virjiny (…) dia ekena sy hajaina fa tena Renin’Andriamanitra sy Renin’ny Mpanavotra tokoa (…). Izy koa dia tena "Renin’ny rantsambatan’ [i Kristy] tokoa (…)  noho izy niara-niasa tamin’ny fitiavany tamin’ny fiterahana tao amin’ny Fiangonana ny mpino izay rantsambatan’io Filoha io[516]".”  “… I Maria Renin’i Kristy dia Renin’ny Fiangonana”[517].

Loharano ôfisialy ↗