Paragrafy 5 . Ny fiombonan’ny olomasina
Laharana 948 amin’ny Katesizy
Ka noho izany ny teny hoe “fiombonan’ny olomasina”, dia manana dikany roa mifamatotra mafy : “fiombonana amin’ny zavatra masina, sancta” sy “fiombonana eo amin’ny samy olona masina, sancti”.
“Sancta sanctis ! (Izay zava-masina ho an’ireo izay olomasina)”, no ambaran’ny mpitarika fankalazana amin’ny ankamaroan’ny litorzia tatsinanana, rahefa amin’ny fanandratana ny Tolotra masina mialoha ny fizarana kômonio. Ny mpino (sancti) dia velomin’ny Vatana aman-dRan’i Kristy (sancta) mba hitombo ao amin’ny fiombonana amin’ny Fanahy Masina (Koinônia) sy hampita izany amin’izao tontolo izao.