Paragrafy 5 . Ny fiombonan’ny olomasina

Laharana 947 amin’ny Katesizy

“Satria mirafitra ho vatana iray ihany ny mpino rehetra, ka ampitaina amin’ny hafa ny haren-tsoan’ny tsirairay (…).Tsy maintsy hinoana, araka izany, fa misy fiombonana haren-tsoa ao amin’ny Fiangonana. Ny rantsambatana ambony indrindra anefa dia i Kristy, satria Izy no loha (…). Araka izany, ny haren-tsoan’i Kristy dia ampitaina amin’ny rantsambatana rehetra, ary izany fampitana izany dia atao amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fiangonana”[497]. “Noho io Fiangonana io entin’ny Fanahy tokana ihany, ny haren-tsoa rehetra izay noraisiny dia manjary ilaina ho tahiry iombonana”[498].

Loharano ôfisialy ↗