Torohevitry ny Evanjely, fanokanam-piainana

Laharana 915 amin’ny Katesizy

Ny torohevitry ny Evanjely, amin’ny hamaroan’izy ireo, dia atolotra ho an’izay rehetra mpianatr’i Kristy. Ny fahalavorariana amin’ny fitiavana izay iantsoana ny mpino rehetra, no ananan’ireo izay manolo-tena an-kalalahana amin’ny famaliana ny antso ho amin’ny fanokanam-piainana, adidy mampihatra ny fahadiovam-pitiavana amin’ny fijanonana ho mpitovo noho ny Fanjakan’Andriamanitra, ny fahantrana ary ny fanekena. Ny fanaovana voady araka ireo torohevitra ireo, ao anatin’ny toe-piainana mafy orina ankatoavin’ny Fiangonana, no mampiavaka ny toeran’ny “fanokanam-piainana”[459] ho an’Andriamanitra.

Loharano ôfisialy ↗