Ny Fiangonana – naorin’i Kristy Jesoa
Laharana 765 amin’ny Katesizy
Nasian’i Jesoa Tompo rafitra izay haharitra mandra-pahatanteraka manontolo ny Fanjakan’ny lanitra ny ankohonam-piangonany. Ny fifidianana ny Roa ambin’ny folo, izay i Piera no ho filohan’izy ireo, no voalohany amin’izany[164]. Noho izy ireo solontenan’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely[165]dia izy ireo no vato fototr’ilay Jerosalema vaovao[166]. Ny Roa ambin’ny folo[167] sy ny mpianatra hafa[168] dia mandray anjara amin’ny fanirahana an’i Kristy, amin’ny fahefany, nefa koa amin’ny anjara hihatra aminy[169]. Amin’ny alalan’ ireny asa rehetra ireny no anomanan’i Kristy sy anorenany ny Fiangonany.