Ny Fiangonana – naorin’i Kristy Jesoa

Laharana 764 amin’ny Katesizy

“Mamirapiratra eo imason’ny olombelona amin’ny teny, ny tsanganasa ary ny maha-eo an’i Kristy, io Fanjakana io”[159]. Ny mandray ny tenin’i Jesoa dia “ny mandray ny Fanjakana mihitsy”[160]. Ny tsiry sy fanombohan’ny Fanjakana dia ireo “andian’ondry vitsy” (Lk 12,32) izay nantsoin’i Jesoa hanodidina Azy ary dia Izy Tenany ihany no mpiandry[161]. Izy ireo no mamorona ny tena fianakavian’i Jesoa tokoa[162]. Ho an’ireo izay nantsoiny hiangona tahaka izany hanodidina Azy, dia nampianariny ny “fomba fiasa amam-pitondran-tena” vaovao, nefa koa fomba fivavaka sahaza izany[163].

Loharano ôfisialy ↗