Ny toritenin’ny apôstôly …
Laharana 76 amin’ny Katesizy
Ny fampitana ny Evanjely, araka ny baikon’ny Tompo, dia natao tamin’ny fomba anankiroa :
Am-bava : “avy amin’ireo apôstôly izay nampita tamin’ny fitoriana am-bava, tamin’ny oha-piainana mbamin’ny fandaminana naoriny ; izao no nampitain’izy ireo tamin’izany : na izay nianaran’izy ireo tamin’ny teny naloakan’ny vavan’i Kristy ka niainan’izy ireo niaraka Taminy, sy tamin’ny nahitan’izy ireo Azy nanao izany ; na izay noraisin’izy ireo avy tamin’ny torohevitry ny Fanahy Masina”;
An-tsoratra : “avy amin’ireo apôstôly ireo sy ireo lehilahy nanodidina azy, izay nandrakitra an-tsoratra ny hafa-pamonjena, mbola teo ambany fitsilovan’ny Fanahy Masina ihany koa”[60].