Ny fampitana ny Fanambaràn’Andriamanitra
Laharana 74 amin’ny Katesizy
“Tian’Andriamanitra ny hahavoavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina” (1 Tim 2,4), izany hoe i Kristy Jesoa[57]. Noho izany, tokony hotorìna amin’ny firenena rehetra sy amin’ny olombelona rehetra i Kristy, ka amin’izany no ho tonga manerana ny vazan-tany rehetra ny Fanambaràna :
Nalamin’Andriamanitra tamin-kamoram-po lehibe io Fanambaràna nomena ho famonjena ny firenena rehetra io, mba ho voatahiry lalandava amin’ny fahamarinany tsy misy tomika, ary mba hampitaina amin’ny taranaka rehetra mifandimby[58].