II. Mba hitsara ny velona sy ny maty
Laharana 679 amin’ny Katesizy
Tompon’ny fiainana mandrakizay i Kristy. Ny zo feno hitsara tanteraka ny tsanganasa sy ny fon’ny olombelona dia anjarany, amin’ny maha-Mpanavotra an’izao tontolo izao Azy. “Azony” tamin’ny Hazofijaliany io zo io. Ny Ray koa moa “nanome ny Zanaka ny fitsaràna manontolo” (Jo 5,22)[643]. Kanefa, tsy tonga mba hitsara ny Zanaka, fa mba hamonjy[644] sy mba hanome ny fiainana izay ao Aminy[645]. Amin’ny fandavana ny fahasoavana ao amin’izany fiainana izany no mitsara tena sahady ny tsirairay[646], raisiny araka ny tsanganasany[647] ary mety hamery mandrakizay ny tenany aza amin’ny fandavana ny Fanahin’ ny fitiavana[648].
FAMINTINANA