II. Mba hitsara ny velona sy ny maty

Laharana 678 amin’ny Katesizy

Taorian’ireo mpaminany[637] sy i Joany-Batista[638], no nanambaràn’i Jesoa tamin’ ny toriteniny, ny Fitsaràna amin’ny Farandro. Amin’izay no hiharihary ny fitondran-tenan’ny tsirairay[639] sy ny tsiambaratelon’ny fo maro[640]. Amin’izay no hanamelohana ny tsy finoana mahameloka izay nanao tsinontsinona ny fahasoavana natolotr’Andriamanitra[641]. Ny fihetsika natao tamin’ny namana no hampiharihary ny fandraisana na ny fandavana ny fahasoavana sy ny fitiavan’Andriamanitra[642]. Hilaza i Jesoa amin’ny farandro hoe : “Izay rehetra nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto, dia Izaho no nanaovanareo an’izany” (Mt 25,40).

Loharano ôfisialy ↗