Fanantenan’i Israely, ny fahatongavan’ny Tompo amim-boninahitra
Laharana 674 amin’ny Katesizy
Mijanona eo amin’ny fotoana rehetra amin’ny tantara ny fahatongavan’ny Mesia enim-boninahitra[621], ho amin’ny fankatoavan’i Israely manontolo izany[622], izay “ny sasany manamafy ny fony”[623] amin’ny “tsy finoana” (Rôm 11,20) an’i Jesoa. Izao no tenin’i Md Piera tamin’ireo Jody tao Jerosalema taorian’ny Pantekôty : “Mivaloza sy mibebaha ianareo mba ho voafafa ny fahotanareo ary amin’izany no hampiavian’ny Tompo ny fotoam-pialan-tsasatra. Amin’izay, haniraka an’i Kristy voatendry ho anareo Izy, dia i Jesoa, ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra aloha, mandra-pahatongan’ny andro fanavaozana manenika an’izao tontolo izao izay notenenin’Andriamanitra tamin’ny vavan’ireo mpaminaniny masina” (Asa 3,19-21). Ary hoy i Md Paoly mamerina ny voalazany : “Raha ny fanariana azy ireo àry no fampihavanana an’izao tontolo izao, hanao ahoana ny fandraisana azy ireo, tsy fiainana avy tao amin’ny fahafatesana va ?” (Rôm 11,15). Ny fidiran’ny hafenoan’ny Jody[624] ao amin’ny famonjen’ny Mesia, arahin’ny hafenoan’ny jentily[625] no hahatonga ny Vahoakan’Andriamanitra “hahatanteraka ny hafenoan’i Kristy” (Efez 4,13) ka ao amin’izany “Andriamanitra dia ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” (1 Kôr 15,28).