Fanantenan’i Israely, ny fahatongavan’ny Tompo amim-boninahitra

Laharana 673 amin’ny Katesizy

Nanomboka tamin’ny Fiakarana any an-danitra, dia antomotra[617] ny fahatongavan’i Kristy amim-boninahitra, na dia “tsy antsika aza ny mahalala ny andro sy ny fotoana izay nalahatry ny Ray amin’ny fahefany irery” (Asa 1,7)[618]. Io fahatongavana any am-parany any io dia mety ho tanteraka na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona[619] na “voasakana” aza izy, dia izy sy ny fitsapan-toetra farany izay hialoha azy[620].

Loharano ôfisialy ↗