“ Niakatra any an-danitra i Jesoa , mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra, Ray Mahefa ny zavatra rehetra”
Laharana 659 amin’ny Katesizy
“Ary rahefa avy niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra” (Mk 16,19). Efa nomem-boninahitra avy hatrany ny Vatan’i Kristy, tamin’ny fotoanan’ny Fitsanganany ho velona, ary porofoin’ny toetra manokana vaovao sy mihoatra ny natoraly izay zakain’ny Tenany maharitra tsy tapaka izany, manomboka hatreo[576]. Kanefa nandritra ny efapolo andro izay niarahany nihinana sy nisotro tamin’ny mpianany tamin’ny fomba mahazatra[577], ary nampianarany azy ireo ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra[578], dia mbola mijanona ho takon’ny toetran’olombelona tsotra ny voninahiny[579]. Ny fisehoan’i Jesoa farany dia nifarana tamin’ny nahatafidiran’ny maha-olombelona Azy tsy mitampody, ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra, naseho an-tsary amin’ny rahona[580] sy lanitra[581] izay ao Izy no mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra[582] manomboka hatreo. Amin’ny fomba miavaka tokoa, sady tokana aman-tany no hisehoany amin’i Paoly “izay toy ny tsy tonga volana” (1 Kôr 15,8) amin’ny fisehoana farany izay anendrena azy ho apôstôly[583].