Nanabe an’i Israely vahoakany Andriamanitra
Laharana 64 amin’ny Katesizy
Tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra no nanabe ny vahoakany tao anatin’ny fanantenam-pamonjena, teo am-piandrasana ny Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay natokana ho an’ny olombelona rehetra[46], ary hosoratana ao am-po[47]. Nolazain’ny mpaminany ny fanavotana tanteraka ny Vahoakan’Andriamanitra, ny fanadiovana ny fivadibadihany rehetra[48], fanavotana izay hatao ho an’ny firenen-drehetra[49]. Ny mahantra sy ny olon-tsotran’ny Tompo[50] indrindra no hitondra izany fanantenana izany. Ireo vehivavy masina toa an’i Sarà, Rebekà, Rasely, Miriama, Debôrà, Ana, Jodita ary Estera no nitahiry tsy ho faty ny fanantenam-pamonjena an’i Israely. I Maria no endrika tsy misy pentina indrindra amin’izany[51].