Ny fahafatesan’i Kristy no sorona tokana sady farany
Laharana 614 amin’ny Katesizy
Tsy manam-paharoa io soron’i Kristy io, ary manatanteraka sy mihoatra ny sorona rehetra[480]. Fanomezan’Andriamanitra Ray rahateo ihany io sorona io : ny Ray no manolotra ny Zanany mba hampihavana antsika Aminy indray[481]. Fanatitr’ilay Zanak’Andriamanitra tonga olombelona ihany koa anefa, io sorona io, izay nanolorany ny ainy[482] an-kalalahana sy am-pitiavana[483] tamin-dRainy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina[484], mba hanonerana ny tsy fanekentsika.