Ny fahafatesan’i Kristy no sorona tokana sady farany
Laharana 613 amin’ny Katesizy
Ny fahafatesan’i Kristy dia sady soron’ny Paka, nahatanteraka ny fanavotana ny olombelona indray mandeha ihany dia ampy[475], tamin’ny alalan’ ilay Zanak’Ondry izay nizaka ny fahotan’izao tontolo izao[476], no soron’ny Fanekem-pihavanana Vaovao[477], mampiombona indray ny olombelona amin’ Andriamanitra[478], izay tafahavana Taminy, noho ilay ra nalatsaka ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana[479].