III. Jesoa sy ny finoan’i Israely an’Andriamanitra Tokana sady Mpamonjy

Laharana 591 amin’ny Katesizy

Niangavian’i Jesoa ireo mpitondra ara-pivavahana tao Jerosalema mba hino Azy noho ny tsanganasan’ny Rainy izay notanterahiny[397]. Kanefa, tsy maintsy mandalo amin’ny misterin’ny fahafatesan’ny tena mihitsy, ny asam-pinoana toy izany, mba ho  amin’ny  fahateraham-baovao  avy any ambony[398] amin’ny fitarihan’ny fahasoavan’Andriamanitra[399]. Ny fitakiam-pibebahana toy izany, manoloana ny fomba mahagaga nahatanteraka ny fampanantenana[400], dia mety hahazoana an-tsaina ny loza avy amin’ny hadisoan-kevitry ny Sanedrìna izay nilaza fa mendrika ho faty i Jesoa noho Izy mpiteny ratsy an’Andriamanitra[401]. Nanao toy izany koa ireo mpikambana tao aminy, noho ny tsy fahalalana[402] sy noho ny hajambàna[403] amin’ny tsy finoana[404].

FAMINTINANA

Loharano ôfisialy ↗