II. I Jesoa sy ny Tempoly
Laharana 586 amin’ny Katesizy
Tsy i Jesoa velively no nankahala ny Tempoly[376], izay tao no nanomezany ny votoatin’ny fampianarany[377], ka an-tsitrapo no nandoavany ny hetran’ny Tempoly nampiarahany tamin’ny an’i Piera[378] izay vao avy napetrany ho vato fototry ny Fiangonany mbola hoavy[379]. Fanampin’izany, nampitovy ny Tenany amin’ny Tempoly Izy, amin’ny fisehoany fa fonenan’Andriamanitra mandrakizay eo anivon’ny olombelona[380]. Izany no antony nahatonga ny namonoana ny tenany[381] ho fanambaràna ny faharavan’ny Tempoly izay hampiharihary ny fidirana ao anatin’ny vanim-potoana vaovao ny tantaram-pamonjena : “Tonga ny andro, ka tsy amin’io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin’ny Ray” (Jo 4, 21)[382].