I. I Jesoa sy ny Lalàna
Laharana 580 amin’ny Katesizy
Tsy ho tanteraka an-tsakany sy an-davany ny Lalàna, afa-tsy amin’ny asan’ Izy Andriamanitra Mpanao lalàna ihany, ao amin’ny Tenan’ny Zanany izay nateraka teo ambanin’ny Lalàna[354]. Ao amin’i Jesoa, tsy voasokitra intsony amin’ny takela-bato ny Lalàna, fa “ao am-po lalin’ilay” (Jer 31,33) Mpanompo, izay manjary “fanekem-pihavanana ho an’ny vahoaka” (Iz 42,6), noho Izy “hamoaka amim-pahamarinana ny lalàna” (Iz 42,3). Nanatanteraka ny Lalàna i Jesoa hatramin’ny nandraisany ho an’ny Tenany “ny ozon’ny Lalàna” (Gal 3,13) setrain’ireo izay “tsy manatanteraka ny didy rehetra raketin’ny Lalàna[355], satria “nisy ny fahafatesan’i Kristy mba hanonerana ny fandikan-dalàna tamin’ny Fanekem-pihavanana Voalohany” (Heb 9,15).