I. I Jesoa sy ny Lalàna
Laharana 579 amin’ny Katesizy
Io fitsipika fototra mahakasika manontolo ny fitandremana ny Lalàna io, izay tsy ara-bakiteny ihany fa ara-panahy koa, dia sarobidy ho an’ny Farisianina. Ny fampisongadinana azy ity ho an’i Israely no nitarihan’ny Farisianina ireo Jody maro, tamin’ny andron’i Jesoa, ho an’ny zotom-pom-pivavahana mihoa-pampana[351]. Io zotom-po io, raha tsy mivadika ho fahaiza-manazava kônsiansy “feno fihatsarambelatsihy”[352], dia afaka nanomana ny vahoaka amin’ilay firotsahan’ Andriamanitra an-tsehatra amin’ny fomba mahatalanjona, izay tsy inona fa ny fanatanterahana ny Lalàna an-tsakany sy an-davany ataon’Ilay hany Marina, eo amin’ny toeran’ny mpanota rehetra[353].