Ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe

Laharana 57 amin’ny Katesizy

Izany fandaminana izany, izay sady mahakasika an’izao tontolo izao voarindra no mahakasika ny fiaraha-monina sy ny fivavahan’ny ankamaroan’ ny firenena[31], dia natao hametra ny avonavon’ny olombelona lavo, izay miombon-kevitra ao anatin’ny faharatsiany[32], ka mitady ny firaisany noho ny herin’ny tenany ihany araka ny fomban’i Babela[33]. Noho ny fahotana[34] anefa, ny fanompoana andriamanitra maro, ary koa ny fanompoan-tsampin’ny vahoaka sy ny filohany, dia mandrahona tsy an-kijanona an’io fitantanam-pamonjena vonjimaika io, amin’ny haratsiam-panahin’ny jentily.

Loharano ôfisialy ↗