Ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe

Laharana 56 amin’ny Katesizy

Vantany vao nosarahin’ny fahotana ny firaisan’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka, dia ny hamonjy ny olombelona miainga avy amin’ireo antokony tsirairay voasaratsaraka ireo no voalohany indrindra nokendren’ Andriamanitra. Ny fanekem-pihavanana tamin’i Nôe taorian’ny safo-drano[29] no maneho ny fototry ny Fitantanam-pamonjen’Andriamanitra ny “firenena” rehetra, izany hoe amin’ny olombelona voangona “ao amin’ny fireneny, araka ny fiteniny avy, sy araka ny fokom-pireneny avy” (Jen 10,5)[30].

Loharano ôfisialy ↗