Ny fiakaran’i Jesoa any Jerosalema
Laharana 557 amin’ny Katesizy
“Ary nony antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa amin’izao tontolo izao, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy” (Lk 9,51)[313]. Nampahafantariny tamin’izany fanapahan-kevitra izany fa niakatra tany Jerosalema Izy, ary vonona ho faty tany. Intelo miantoana Izy no nanambara ny fijaliany sy ny Fitsanganany ho velona[314]. Teny am-pizorana ho any Jerosalema, dia hoy Izy : “Tsy mety raha mpaminany ka dia hovonoina ivelan’i Jerosalema” (Lk 13,33).