Santa-pahasambarana any amin’ny Fanjakan’ny lanitra : ny Fiovàn-tarehy

Laharana 556 amin’ny Katesizy

Ny Batemy no fiandohan’ny fiainana ampahibemaso; ny Fiovàn-tarehy kosa no fiandohan’ny Paka. Tamin’ny Batemin’i Jesoa “no naseho ny misterin’ny fanavaozana voalohany antsika” : ny Batemintsika ; ny Fiovàn-tarehy “no sakramentan’ny fanavaozana faharoa” : ny fananganana ny vatantsika ho velona[310]. Manomboka izao isika no mandray anjara amin’ny Fitsanganan’ny Tompo ho velona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay miasa ao amin’ny sakramentan’ny Vatan’i Kristy. Ny Fiovàn-tarehy no manome antsika ny santatry ny fahatongavan’i Kristy amim-boninahitra “izay hanova ny vatantsika tsinontsinona mba hampitovy endrika izany amin’ny Vatany be voninahitra” (Filip 3,21). Kanefa mampahatsiaro antsika koa izany fa “amim-piaretana fahoriana betsaka no tsy maintsy idirantsika ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra” (Asa 14,21) :

Tsy mbola fantatr’i Piera izany raha naniry hiara-mitoetra amin’i Kristy teo an-tendrombohitra izy[311]. Notahiriziny ho anao izany, ry Piera, ho amin’ny aorian’ny fahafatesana. Fa ankehitriny ny tenany ihany no milaza hoe : Midîna mba hiaritra fijaliana mafy eto an-tany, mba hanompo eto an-tany, mba hoesoina, hofantsihana amin’ny hazofijaliana eto an-tany. Nidina ilay Fiainana mba hovonoina ; nidina ilay Mofo mba ho noana ; nidina ilay Lalana mba ho sasatry ny dia ; nidina ilay Loharano mba hangetaheta ; ka ianao ve handà tsy hijaly[312] ?

Loharano ôfisialy ↗