Ireo famantarana ny Fanjakan’Andriamanitra

Laharana 548 amin’ny Katesizy

Porofoin’ireo famantarana notontosain’i Jesoa, fa ny Ray no naniraka Azy[283]. Mitaona hino Azy ireny[284]. Ho an’ireo izay manatona Azy amim-pinoana, omeny izay zavatra angatahin’izy ireo[285]. Amin’izany ireo zava-mahagaga no mampahery ny finoana an’Ilay izay manao ny tsanganasan’ny Rainy : manaporofo ireny fa Izy no Zanak’Andriamanitra[286]. Kanefa mety koa ho tonga zava-manafintohina ireny[287]. Tsy hoe hanome fahafaham-po ny fahalianana sy ny faniriana mahazendana tsy akory ireny. Na marina tsy takona afenina aza ny zava-mahagaga nataon’i Jesoa, dia nolavin’ny olona sasany Izy[288] ; ampangaina aza Izy hoe manao asa amam-pihetsika amin’ny alalan’ny demony[289].

Loharano ôfisialy ↗