IV. Tompo

Laharana 450 amin’ny Katesizy

Ny fankatoavana ny maha-Tompon’izao tontolo izao sy ny tantara an’i Jesoa[69], hatrany am-piandohan’ny tantara kristianina, dia midika ho fanekena koa fa tsy tokony hampilefitra ny fahafahany manokana mihitsy ny olombelona, manoloana ny manam-pahefana eto an-tany na iray aza, afa-tsy amin’Andriamanitra Ray sy amin’i Jesoa-Kristy Tompo ihany : tsy i Sezara akory no “Tompo”[70]. “Mino ny Fiangonana (…) fa ny fanalahidy sy ny foibe ary ny fiafaran’ny tantara rehetra momba ny olombelona dia hita ao amin’ny Tompony sady Mpampianany”[71].

Loharano ôfisialy ↗