IV. Tompo

Laharana 449 amin’ny Katesizy

Ny fiekem-pinoana voalohany an’ny Fiangonana, amin’ny fanomezana an’i Jesoa ny anaram-boninahitr’Andriamanitra hoe Tompo, dia manamafy, hatrany am-piandohana[66], fa ny fahefana, ny haja sy ny voninahitra omena an’ Andriamanitra Ray, dia omena an’i Jesoa[67] koa, satria avy amin’ny “fomban’ Andriamanitra” Izy (Filip 2,6) ary nasehon’ny Ray izany fahefana ambony indrindra an’i Jesoa izany tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty sy tamin’ny nanandratany Azy ao amin’ny voninahiny[68].

Loharano ôfisialy ↗