IV. Tompo
Laharana 447 amin’ny Katesizy
I Jesoa rahateo ihany no nametaka izany Anarana izany tamin’ny Tenany amin’ny fomba somary misarontsarona rahefa miady hevitra amin’ny Farisianina momba ny hevitry ny Salamo 110 Izy[62], nefa kosa amin’ny fomba mibaribary rahefa miresaka amin’ny apôstôliny[63]. Nandritra ny fiainany manontolo ampahibemaso, ny fihetsiny maneho fahefana mandidy ny zavaboary, ny aretina maro, ny demony, ny fahafatesana ary ny fahotana, dia nampiseho ny fahefana ambony indrindra maha-Andriamanitra Azy.