IV. Tompo

Laharana 446 amin’ny Katesizy

Ao amin’ny dikan-teny grikan’ny bokin’ny Testamenta Taloha, ny Anarana tsy hay ambara hoe YHWH, izay nanambaràn’Andriamanitra ny Tenany tamin’i Môizy[60], dia nadika hoe Kyrios (“Tompo”). Noho izany, ny hoe Tompo dia nanjary Anarana mahazatra indrindra mba hanondroana ny maha-Andriamanitra ny Andriamanitr’i Israely. Ny Testamenta Vaovao dia mampiasa ny hevi-baventy momba ny Anarana hoe “Tompo” sady ho an’ny Ray, nefa koa, ary izany no zava-baovao, ho an’i Jesoa izay ekena araka izany ho Andriamanitra rahateo ihany[61].

Loharano ôfisialy ↗