VI. Ny fitiavana ny mahantra

Laharana 2444 amin’ny Katesizy

“Anisan’ny lovam-panahy tsy miova ny fitiavan’ny Fiangonana ny mahantra (…)”[50]. Avy amin’ny Evanjelin’ny hasambarana[51], avy amin’ny fahantran’i Jesoa[52] ary avy amin’ny fikarakarany ny mahantra no nanovozana an’izany[53]. Ny fitiavana ny mahantra rahateo no iray amin’ireo antony tsy maintsy hiasana, mba  “hahafahana manao ny tsara amin’ny fanampiana ny sahirana” (Efez 4,28). Tsy miitatra fotsiny amin’ny fahantrana ara-pitaovana izany, fa amin’ireo endrika maro be isehoan’ny fahantrana ara-tsaina sy ara-pivavahana koa[54].

Loharano ôfisialy ↗