VI. Ny fitiavana ny mahantra

Laharana 2443 amin’ny Katesizy

Midera ireo izay manampy ny mahantra Andriamanitra ary manome tsiny ireo izay mihodina tsy hanao izany : “Omeo izay mangataka aminao ; aza omena lamosina izay te hisambotra aminao” (Mt 5,42). “Nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana” (Mt 10,8). Amin’izay hataon’izy ireo ho an’ny mahantra no hahalalan’i Jesoa-Kristy ny olom-pinidìny[48]. Rahefa “torìna amin’ny malahelo ny Vaovao Mahafaly” (Mt 11,5)[49], izay no famantarana ny maha-eo an’i Kristy.

Loharano ôfisialy ↗