IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina

Laharana 2429 amin’ny Katesizy

Samy manana zo hamorona fiharian-karena, sy hampiasa ara-dalàna ny talentany ny tsirairay, mba handraisany anjara amin’ny habetsahan’ny tombon-tsoa ho an’ny rehetra, sy mba hiotazany ny vokatra ara-drariny ny ezaka nataony. Hitandrina izy amin’ny fanarahana ny fandaminana ara-pitsipi-pifehezana apetraky ny manam-pahefana hitondra ara-dalàna ho amin’ny soa iombonana[30].

Loharano ôfisialy ↗