IV. Ny raharaham-piharian-karena sy ny fahamarinana ara-piaraha-monina

Laharana 2428 amin’ny Katesizy

Amin’ny asa ny olona no mampiasa sy manatanteraka ny anjara herim-pahazoana amam-pahaizana voa-Janahary naraikitra ao aminy. Ny fototry ny hasarobidin’ny asa dia ny tenan’ny olona ihany, fa izy no mpanao sy iantefany. Ny asa no natao ho an’ny olona fa tsy ny olona no ho an’ny asa[29].

Tokony hahita fomba hanampy ny fiainany sy ny an’ny ankohonany  amin’ ny asany ny tsirairay, sy hanasoavany ny  fiombonamben’ny olombelona.

Loharano ôfisialy ↗