Ny fiterahana amin’ny fanambadiana

Laharana 2368 amin’ny Katesizy

Endrika iray manokana amin’izany fiandraiketana izany, ny mikasika ny fandrindram-piterahana. Noho ny antony ara-drariny[35], azon’ny mpivady atao ny maniry hanao be no aizana amin’ny fiterahana ny zanak’izy ireo. Kanefa, anjaran’izy ireo ny manamarina fa tsy noho ny antony avy amin’ ny fitiavan-tena manokana ny fanirian’izy ireo, fa mifanaraka amin’ny fahalalaham-po marina maha-ray sy maha-reny tompon’andraikitra. Afa-tsy izany, hahitsin’izy ireo hanaraka ny tena mari-pitsaràna marina amin’ ny fitsipi-pitondran-tena ny fitondran-tenan’izy ireo :

Raha ny mahatsara ara-pitondran-tena ny amin’ny fandrindrana ny fifankatiavan’ny mpivady sy ny maha-tompon’andraikitra azy ireo amin’ny fiterahana no resahina, dia tsy miankina fotsiny amin’ny fikasana  tsara, sy amin’ny fandanjalanjana ny antony araka ny saim-pantany izany, fa  tsy maintsy dinihina amin’ny mari-pitsaràna tsy mitanila, raha mifanaraka amin’ny hasin’ny maha-olombelona ny fanirian’izy ireo sy ny ataony, raha fifankatiavana marina no mitarika azy ireo amin’izany, raha voahaja tsara ny hevitra manontolo momba ny fifanoloran-tena sy ny fiterahan’ny olombelona ;  tsy ho vita anefa izany raha tsy ny fifehezan-tenan’ny mpivady no beazina amin-kitsim-po[36].

Loharano ôfisialy ↗