Ny fahadiovan-toetra tsy misy tomika ny olona

Laharana 2343 amin’ny Katesizy

Fantatry ny fahadiovam-pitiavana ny lalànan’ny fandrosoana, izay misy fotoana andalavony amin’ny tsy fahalavorariana, ary matetika tokoa amin’ny fahotana. “Isan’andro isan’andro ny olona tsara toe-panahy sy madio fitiavana no mampivoatra ny tenany amin’ny alalan’ny safidy maro sy malalaka. Amin’izany izy no mahalala, mitia ary manatanteraka ny tsara ara-môraly amin’ny fanarahana ny dingam-pandrosoana”[12].

Loharano ôfisialy ↗