I. Masina ny Anaran’ny Tompo
Laharana 2142 amin’ny Katesizy
Mandidy hanaja ny Anaran’ny Tompo ny didy faharoa.Toy ny didy voalohany, miankina amin’ny herim-panahy enti-mivavaka ny didy faharoa sy manitsy amin’ny fomba manokana ny fampiasantsika ny fiteny momba ny zava-masina.