Adidin’ny fiaraha-monina momba ny fivavahana sy ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana

Laharana 2109 amin’ny Katesizy

Azo asiana fetra ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana[35], saingy tsy ferana amin’ny “didim-panjakana” novolavolaina tamin’ny fandinihana ara-java-misy fotsiny na ara-javaboary fotsiny[36]. Ny “fetra ara-drariny” izay tsy misaraka aminy dia tokony ho voafaritry ny fahendrena pôlitika amin’ny fipetraky ny toe-javatra tsirairay eo amin’ny fiaraha-monina, araka izay takìn’ny soa iombonana, sy eken’ny mpitondra firenena araka ny “lalàna mitandro ny zon’olombelona sy ny lalàm-pitondran-tena marina”[37].

Loharano ôfisialy ↗