Adidin’ny fiaraha-monina momba ny fivavahana sy ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana
Laharana 2108 amin’ny Katesizy
Ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana dia tsy hoe fahazoan-dalana ara-môraly hanaraka hevi-diso[32], na zo hamorona hevi-diso[33], fa zo voa-Janahary maha-olona ny olona ho amin’ny fahafahan’olon-tsotra, izany hoe ho amin’ny fiarovan’ny lalàna avy amin’ny fahefam-pitondram-panjakana eo anatrehan’ny fanerena avy ety ivelany, ao anaty fetra ara-drariny, ny amin’ny fivavahana. Tsy maintsy ekena ho anisan’ny lalàm-panjakana eo amin’ny tany ama-monina io zo voa-Janahary io, araka ny zo ara-dalàna ananan’ny mpiara-monina[34].