I. Ny firehetam-po
Laharana 1763 amin’ny Katesizy
Anisan’ny lovasoa kristianina ny teny hoe “firehetam-po”. Anondroana ny fiontanam-po na ny fihetsi-pahatohinana ny hoe fihetseham-po na ny firehetam-po, izay mampirona hanao na tsy hanao eo anatrehan’izay tsapa na eritreretina ho tsara na ho ratsy.