III. Ny fanekena hivady

Laharana 1632 amin’ny Katesizy

Mba ho asa an-kalalahana sy izakana andraikitra ny “Eny ” ifaneken’ny mpivady, ary mba hanana fototra maha-olombelona sy maha-kristianina mafy sy maharitra ny fifanekem-panambadiana, dia ny fiomanana ho amin’ny fanambadiana no manan-danja voalohany.

Mijanona ho lalana ahazoan-tsoa amin’io fanomanana io ny oha-piainana sy ny fampianarana omen’ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana.

Ny anjara asan’ny mpiandry ondry sy ny ankohonana kristianina amin’ny maha-“fianakavian’Andriamanitra” azy, dia ilaina ho amin’ny fampitana ny soatoavina maha-olombelona sy maha-kristianina momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana[150], ary ity, indrindra amin’izao androntsika izao, betsaka ny tanora no mahatsapa ny fisian’ireo tokantrano rava izay tsy ampy hanamafy orina intsony ity fanoroan-dalana ity :

Tsy maintsy ampahafantarina ara-potoana ny tanora, ary amin’ny fomba sahaza azy, izay mety kokoa raha eo anivon’ny fianakaviana, ny mikasika ny hasin’ny fifankatiavan’ny mpivady, ny anjara raharahany, ny fampiasana azy : ary rahefa voabe amin’ny fahadiovam-pitiavana amin’izany izy ireo, dia afaka, rahefa tonga ny fotoana, hirotsaka amin’ny fanambadiana aorian’ny fifamofoana niainana tao anatin’ny fahamendrehana[151].

Loharano ôfisialy ↗