III. Ny fanekena hivady

Laharana 1631 amin’ny Katesizy

Noho izany antony izany no angatahin’ny Fiangonana araka ny fanao mahazatra amin’ireo mpinony ny fomba ara-dalànan’ny Fiangonana amin’ny fanatanterahana ny fanambadiana[149]. Antony maro no manampy amin’ny fanazavana izany famerana izany :
- asa litorzika ny fanambadiana ara-tsakramenta. Koa noho izany, tsara raha ankalazaina amin’ny litorzia atao ampahibemaso eo amin’ny Fiangonana izy ;
- tafiditra ao amin’ny fitsipika ara-pombam-pivavahan’ny Fiangonana ny fanambadiana, ka miteraka zo sy adidy izy ao amin’ny Fiangonana, eo amin’ny samy mpivady ary amin’ireo zanaka ;
- satria lalam-piainana iray ao amin’ny Fiangonana ny fanambadiana, ka tsy maintsy misy antoka marina amin’ny fanambadiana (izany no tsy maintsy ananana vavolombelona) ;
- ny maha-ampahibemaso ny fanekena no miaro ny “Eny” nomena indray mandeha ihany sy manampy tsy hivadika amin’izany.

Loharano ôfisialy ↗