III. Ny fanekena hivady
Laharana 1629 amin’ny Katesizy
Noho io antony io (na antony maro hafa koa mahatonga ny fanambadiana hoheverina ho toy ny tsy misy[147]), ny Fiangonana, aorian’ny fandinihana ny toe-javatra amin’ny alalan’ny tribonalim-piangonana afa-manapaka, dia afaka manambara “ny maha-foana ny fanambadiana”, izany hoe tsy misy na oviana na oviana ilay fanambadiana. Raha izany no toe-javatra misy dia samy afaka manambady ireo nanao fifanekena, satria samy afaka tamin’ny adidy voa-Janahary nampikambana azy ireo taloha[148].