III. Ny fanekena hivady
Ny fanekena dia tsy maintsy ho asan’ny sitrapon’ny tsirairay amin’ny mpifanaiky, afaka amin’ny fanerena na tahotra lehibe avy any ivelany[145]. Tsy misy fahefan’olombelona na dia iray aza afaka misolo an’io fanekena io[146]. Raha tsy misy io fahafahana io, tsy vanona ny fanambadiana.