II. Ny fankalazana amin’ny fanambadiana
Laharana 1623 amin’ny Katesizy
Araka ny lovam-panahy latinina, dia ny mpivady, izay izy ireo no mpandraharahan’ny fahasoavan’i Kristy, no mifanome ny sakramentan’ ny Fanambadiana amin’ny fanambaràna ny faneken’izy ireo eo anatrehan’ny Fiangonana. Amin’ny lovam-panahin’ny Fiangonana tatsinanana, ny Pretra na ny Eveka izay mitarika ny fanompoam-pivavahana no vavolombelon’ny fifanekena ifanaovan’ny mpivady[138], nefa ilaina koa ny tsodranon’izy ireo mba hahavanona ny sakramenta[139].