II. Ny fankalazana amin’ny fanambadiana
Laharana 1622 amin’ny Katesizy
“Ny fankalazana ara-litorzian’ny fanambadiana, amin’ny maha-fihetsika ara-tsakramentam-panamasinana azy (…), dia tokony ho manan-kery, ho mendrika ary ho mahavokatra amin’ny alalan’ny tenany ihany”[137]. Noho izany, mahasoa ny mpifamofo ny miomana amin’ny fandraisana ny sakramentan’ny fivalozana, alohan’ny fankalazana ny fanambadiany.