Ny fanokanan-tena ho virjiny ho an’ny Fanjakan’ny lanitra
Laharana 1618 amin’ny Katesizy
I Kristy no foiben’ny fiainana kristianina manontolo. Ny fifamatorana Aminy no mitana toerana voalohany eo anatrehan’ny fifamatorana hafa rehetra, na ara-pianakaviana na ara-piaraha-monina[126]. Hatrany am-piandohan’ny Fiangonana, nisy lehilahy sy vehivavy izay nahafoy ny soa lehibe amin’ny fanambadiana mba hanara-dia ny Zanak’Ondry na aiza na aiza alehany[127], mba hiahy ny zavatry ny Tompo, mba hikatsaka izay sitrany[128], ary mba handeha eo anoloan’ilay Mpampakatra izay tamy[129]. Izy Kristy mihitsy no nitaona ny sasantsasany hanaraka Azy amin’izany fomba fiainany izany, ka Izy hatrany no môdelin’izany :
Misy ny eonoka izay hatrany amin’ny fahaterahana izy no izany, hatrany an-kibon-dreniny ; misy koa ny eonoka izay nataon’ny olona no nahatonga azy ho izany ; ary misy amin’ireny izay ny tenany ihany no nanao azy ho eonoka noho ny Fanjakan’ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray (Mt 19,12).