Ny ilana ny finoana

Laharana 161 amin’ny Katesizy

Ny mino an’i Jesoa-Kristy sy an’Ilay izay naniraka Azy ho famonjena antsika, dia ilaina mba hahazoana io famonjena io[175]. “Satria “raha tsy misy ny finoana (…), dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra” (Heb 11,6), ary tsy afaka mahazo anjara amin’ny toetra maha-zanany ; tsy misy olona hahita fanamarinana na oviana na oviana raha tsy misy finoana, ary tsy misy olona hahazo ny fiainana mandrakizay raha “tsy maharitra amin’ny finoana hatramin’ny farany” (Mt 10,22; 24,13)”[176].

Loharano ôfisialy ↗