Ny fahafahana amin’ny finoana
Laharana 160 amin’ny Katesizy
Mba ho araka ny maha-olombelona, “tokony ho an-tsitrapo ny valim-pinoana omeny an’Andriamanitra ; noho izany, tsy misy azo terena hanaraka ny finoana tsy sitrany. Satria, ny asam-pinoana dia manana izay toetra tsy terena, tsy vozonana izay, araka ny tena fombany”[172]. “Marina fa miantso ny olombelona Andriamanitra hanompo Azy amin’ny fanahy sy fahamarinana ; ka na dia mandidy ny olona amin’ny kônsiansy aza io antso io, tsy manery azy akory. (...) Tao amin’i Kristy Jesoa no niseho mazava dia mazava izany”[173]. Satria nitaona ny olona ho amin’ny finoana sy ny fibebahana i Kristy, fa tsy nanery ny amin’izany mihitsy Izy. “Nanambara ny marina Izy, kanefa tsy sitrany ny nanao amboletra izany tamin-kery tamin’ireo mpanohitra Azy. Ny fanjakany (…) dia miitatra noho ny fitiavana izay itarihan’i Kristy voasandratra teo amin’ny Hazofijaliana, ny olombelona rehetra ho eo Aminy”[174].