Ny fanambadiana eo ambany fahefan’ny fahotana

Laharana 1608 amin’ny Katesizy

Kanefa, maharitra ny filaminan’ny zavaboary, na dia voakorontana mafy aza izany. Mba hanasitranana ny ratram-pahotana, ilain’ny lehilahy sy ny vehivavy ny fanampian’ny fahasoavana izay tsy ho lavin’Andriamanitra na oviana na oviana, noho ny famindram-pony tsy misy fetra[112]. Raha tsy misy io fanampiana io ny lehilahy sy ny vehivavy, tsy afaka ho tonga hanatanteraka ny firaisam-piainan’izy ireo izay naharian’Andriamanitra azy ireo “tany am-piandohana”.

Loharano ôfisialy ↗